Kolontsaina Aotrisianina

Ny zavatra tsara ho fantatra momba ny kolontsaina aotrisianina...

Mba fantatrao ve fa...

Ny firenena aotrisianina dia firenena kristianina (katolika) ary araka izany dia manana fomba amam-panao hafa kely izay tsy dia tena mahazatra , indrindra fa ho an'ny malagasy. Anisan'izany fomba amam-panao aotrisianina izany ny fankalazana ny fotoana alohan'ny krismasy sy mandritra ny krismasy ihany koa aza. Isakin'ny 5. Desambra sy 6. Desambra dia mankalaza ny atao hoe Nikolaus (izay antsoina ihany koa hoe Nikolo eto Vienne), sy Krampus ny mponina eto Aotrisy. Ny Krampus dia dia endrika devoly volom-borona goavambe misy tandroka izay mandrahona ny ankizy amin'ny rojo vy sy tehina ary siny, ary raisina ho mpiara-dia amin'i St. Nicholas, izay Eveka tsara fanahy izay mpitondra fanomezana ho valisoa ho an'ny ankizy hendry nandritra ny taona. Amin'ny andro alohan'ny 5 sy 6. Desambra dia mametraka kiraro alohan'ny varavaran'ny trano ny ankizy. Ao anatin'io kiraro io no asian'I Nikolaus ny valisoa ho an'ireo ankizy izay Hendry. Taloha moa dia nahazo valisoa toy ny paoma na voanjo na voankazo ireo ankizy hendry, ary ireo ankizy tsy hendry kosa nahita ovy na arintany tao anaty kiraro nomena. Taty aoriana kosa dia nosoloina zava-mamy isan-karazany izany. Marihina fa arakarakin'ny faritra eto Aotrisy dia misy ny fahasamihafana ny fankalazana an'izy ireo ary toy izany koa ny anarana omen'ny olona an'i Krampus sy Nikolaus.

Taty aoriana moa dia nisy fomba amam-panao vaovao hoentina mankalaza an'I Krampus. Miisy ny hetsika atao miaraka amin'ny fomba fampitahorana eny an-dalana ny mpandalo amin'ny tsorakazo. Misy moa ireo mandositra sy mihiakiaka rehefa iharan'ny herisetra ny Krampus. Etsy ankilany, raha mijanona eo an-tsisiny ianao dia afaka manantena fa tsy hoelingeleniny firy. Ireo mpandray anjara lahy dia "mitafy akanjo hoditr'ondry sy fehin-kibo vita amin'ny hoditr'omby na lakolosy kely maromaro". Ireo sarontava hazo lehibe izay matetika sarobidy dia mampiseho endrika mampiavaka ny devoly na biby. 

Ankehitriny ny sarontava dia matetika no mitovy amin'ny maodelin'ny haino aman-jery avy amin'ny sehatry ny extraterrestre. Miaraka amina rojo vy sy karavasy, ary mikapoka mafy , mitabataba sy mandrahona vahoaka izy ireo ary matetika miseho tampoka, mihazakazaka mamakivaky ny arabe ary vetivety dia manjavona.

Mba fantatrao ve fa...

Ny mpizara fanomezana isakin'ny Krismasy aty Aotrisy dia tsy ny dadabe noely toy ny fahita hatraiza hatraia loatra fa ny antsoin-dry zareo Aotrisianina hoe "Christkindl"? Christkindl (raha adika tsotsotra ain'ny teny gasy dia hoe: Kristy zazakely) dia toy ny anjely kely, miaraka amin'ny akanjo fotsy, ary ny volony dia miloko volondavenona, misy elatra sy faribolana mazava manodidina ny lohan'ny olo-masina. Amin'ny fetin'ny krismasy dia ankizy maro no mandefa taratasy mirakitra ny zavatra izay iriany izay alefan'ny amin'ny Christkindl. Ny paositra antsoina hoe Postamt Christkindl izay paositra manokana ho an'ny krismasy any amin'ny distrikan'i Steyr (faritra iray eto Aotrisy) no andefasana ireo taratasin'ny ankizy ireo. 

Misokatra isan-taona manomboka ny zoma alohan'ny alahady voalohany amin'ny Adventa ka hatramin'ny faha-6 Janoary io paositra io. Angonina ireo taratasy ireo ary valiana avy amin'io toerana io ihany koa. Fomba fanaon'ny Aotrisianina isakin'ny Krismasy izy io, nanomboka tamin'ny taona 1950. Misokatra isan-taona ity paositra Christkindl ary manisy tombo-kase an'ireo taratasy alefa aminy amin'ny alalàn'ny fitombo-kase manokana. Isan-taona ihany koa dia efa manodidina ny roa tapitrisa ny entana asiana an' ity tombo-kase ity. Manomboka amin'ny 20. - 23. desambra dia afaka mandefa ny taratasy mirakitra ny zavatra iriany any amin'ny Christkindl daholo ny ankizy tsirairay.

Araka izany dia misy tsena isan-karazany misokatra manerana ny Aotrisy iray manontolo izay antsoina hoe "Christkindlmarkt" (izay tsenan'ny Krismasy izy io fa nomena ny anarana hoe tsenan'ny Christkindl). Ireo tsena ireo moa dia misokatra manodidina ny fankalazana ny Krismasy ary matetika dia fihaonan'ny mponina eto Aotrisy hiaraha-mitafatafa amin'ny tapaka sy namana ary Havana. Toerana ahitana fitaovana isan-karazany afaka atao fanomezana ho amin'ny fankalazana ny Krismasy sy ahafahana miara-misakafo sy misotro ihany koa anefa. Matetika ny fanaon'ny olona eto Aotrisy amin'ireo toerana ireo dia ny misotra divay mafana noho ny hatsiaka mamanalan'ny ririnina ary miara-mitafatafa amin'ny tapaka sy namana.

Erstellen Sie Ihre Webseite gratis! Diese Website wurde mit Webnode erstellt. Erstellen Sie Ihre eigene Seite noch heute kostenfrei! Los geht´s